Araka ny tati-baovao marim-pototra samihafa voaray, dia mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo mila tsy voafehy intsony ankehitriny, any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ka mahatsiaro tena ho tsy misy mpiahy intsony ny vahoaka any an-toerana. Tao anatin’ny telo andro monja, fokontany fito no indray notafihan’ny dahalo, ka omby maherin’ny 150 isa no voaroba tamin’izany. Afak’ omaly naraina, tokony ho tamin’ny fito ora, omby miisa 70 mahery no lasan’ny valopolo lahy nitam-piadiana, tao amin’ny fokontany Mandiameva, Kaominina ambanivohitr’i Bekapaika. Ary tompon’omby roa teo an-tanàna niaro ny fananany no maty tsy tra-drano voatifitra. Mbola tao amin’ny Kaominina Bekapaika hatrany, saingy tany amin’ny fokontany Mahareraka kosa, dia omby 15 isa tamina tokantrano roa no norobain’ny dahalo folo lahy nirongo basy, ny alatsinain’ny pentekôty teo. Ny andron’io hatrany, fokontany telo (Ampasiry, Andranomandry ary Antsahabe) any amin’ny Kaominina Keliloha no lasibatry ny malaso 26 lahy mitam-basy, ka lasan’ireo dahalo avokoa ny omby teo amin’ireo tanàna. Nandritra ny fifandonana tamin’ireo mpangalatra omby, fokonolona iray maty rotiky ny bala. Ny 20 mey teo, tao amin’ny fokontany Ampitakely, kaominina Isinko, omby manodidina ny 50 isa teo no lasan’ny 20 lahy nirongo basy, ka ny roa tamin’ireo dahalo dia nanao fanamiana miaramila. Rehefa avy nandraoka ny omby tiany ireo malaso, dia naka olona telo takalonaina nentin’ireo olon-dratsy nanaraka azy. Ny andron’ny alahady io hatrany, trano miisa 80 mahery no may hotohoton’ny afo nodoran’ny dahalo, tao amin’ny fokontany Manakakely, Kaominina Andriamena.
Eric Manitrisa