- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Jiolahy roa mpaka an-keriny maty voatifitra

Tsaratanana : Jiolahy roa mpaka an-keriny maty voatifitra

Mety hilamindamina amin’izany ve ? Roa tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny nampikaikaika ny mponina tany amin’iny distrikan’i Tsaratanana iny mantsy no lavon’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo.

Ambonin’ireo olon-dratsy maty voatifitra ireto dia nisy vehivavy iray ihany koa voasambotra. Vehivavy iray voalaza ho mpiray tsikombakomba amin’ireo mpaka an-keriny amin’ny famatsiana ody gasy sy basy azy ireo. Azo teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ihany koa moa ny basim-borona telo, fentin’ireo jiolahy manao ny asa ratsiny. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana tokoa  mantsy dia tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana, zandary sy miaramila, ny fisian’ireo jiolahy roa mihaodihaody tany amin’ny fokontany Anosikely. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana. « Tsy nanaiky mora foana nosamborina anefa izy roa lahy ireto fa dia nitifitra avy hatrany ireto mpitandro ny filaminana ka velona ny fifandonana. Namoy ny ainy araka izany izy roa lahy ka nogiazana ny basiny » hoy ny vaovao. Mbola nitohy ihany moa teo ny fikaroham-baovao nataon’ireto mpitandro filaminana ary fantatra fa ramatoa iray mipetraka ao Tsaratanana, izay renin’izy ireo ihany no mpamatsy basy sy ody gasy ireto jiolahy voatifitra ireto. Natao sarika am-pandriana tao an-tokantranony ity ramatoa ity ary tra-tehaka tamin’izany ny ody gasy maromaro sy ireo fitaovam-piadiana.

Azo lazaina fa mbola miaina anaty tebiteby fatratra ihany ireo mponina any amin’iny faritra Betsiboka iny amin’ity resaka fakàna an-keriny ity, raha tsy voasambotra tanteraka ilay lehiben’ny dahalo fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « Del ». Hatreto anefa aloha dia saika ireo olona manodidina azy foana no, na voasambotra na maty voatifitra. Na izany aza anefa dia mino ireo mpitandro filaminana fa mety « hampihena hatrany ny herin’ity olo-malaza amin’ny ratsy ity » izany. « Manentana hatrany ny zandarimariam-pirenena ny hampitana amin’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana rehetra haingana ny vaovao  ahafahana miady amin’ny ratsy na koa hisorohana ny tsy hisehoan’izany. » hoy hatrany ny fampitam-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici