Satria ve manambola matoa sahy mirotsaka hofidina ? Asa tokoa raha izany no tao an-tsain’ireo dahalo naka an-keriny kandidà iray ho solombavambahoaka, tany amin’iny distrikan’i Tsaratanana iny indray.
Ny teo aloha efa avotra, moa ny hafa misosoka indray. Izay raha fintinina amin’ny teny fohy ny mahakasika ity trangana fakàna an-keriny manao sesilany any amin’iny faritra Betsiboka iny. Raha avotra soa aman-tsara omaly maraina mantsy ilay ankizivavy kely efa-taona nalain’ireo olon-dratsy tao Ambodimangan’i Betsiboka dia fantatra izao fa lehilahy iray, nisafidy ny hirotsaka ho solombavambahoaka avy amin’ny « vovonana Isika miaraka amin’i Andry Rajoelina » no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny, ny harivan’ny alahady lasa teo. Araka ny angom-baovao avy any an-toerana dia teo amin’ny sampanan’i Bekapaika mihazo an’i Tsaratanana no namelezan’ireo dahalo am-polony maro azy. Vao handeha hihazo an’i Tsaratanana mihitsy ny lehilahy tamin’io fotoana io, handrotsaka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina no sendra ireo malaso. Marihana, hoy ny vaovao fa Talen’ny fari-piadidiam-pampianarana Betsiboka teo aloha ity rangahy ity, ary mahafantatra tsara ny toerana sy azo lazaina fa tompon-tany mihitsy aza. Ary angamba noho izay no tao an-tsainy ka sahy namakivaky faritra mena tsy nisy mpanaraka ny lehilahy. Teny antenantenan-dalana anefa, raha teny ambony môtô niaraka tamin’ny mpamiliny izy no sendra ireo olon-dratsy ary dia lasan’iretsy malaso ambongadiny, niaraka tamin’ireo taratasy filatsahan-kofidina. Raha ny fantatra hatrany dia toa hoe nizotra nihazo an’i Mahajamba iny ireo olon-dratsy, nitondra azy. Efa nampandrenesina mahakasika ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ary efa samy nahetsika avokoa izy ireo hanara-dia sy hikaroka ireo mpaka an-keriny.
m.L/ Ratantely