- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Malaso iray lavon'ny balan'ny Zandary

Tsaratanàna : Malaso iray lavon’ny balan’ny Zandary

Malaso iray no maty voatifitra ny mpitandro ny filaminana, basim-borona iray no sarona. Andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadina no nanafika tao amin’ny fokontany Antanadava, Kaominina Bekapaika, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny atalata lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora miatataovovona. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nifanena tamin’ny Zandary niambina ny kizo ireo dahalo telo nitondra basim-borona. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Dahalo iray antsoina hoe gevais no maty voatifitra nandritra ny fiafandonana. Marihana fa manjaka any amin’ity disitrikan’i Tsaratanàna ity ny asan-dahalo ary saika isan’andro no andrenesana izany. Tsy mikely soroka manoloana izay ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Ny Zandary avy ao amin’ny borigadin’ny Tsaratanàna no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana ary nanao ny fanarahan-dia.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici