- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana mahery vaika, tapaka asa ny olona

Tsaratanana : Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana mahery vaika, tapaka asa ny olona

Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna. «Manjaka ny « kidnapping » ary mbola misy olona tsy hita any am-pelatanan’ny jiolahy efa andro maro. Manjaka ny vonoan’olona, ny fandravana fananana ary ny fanakanan-dalana any amin’ny tapany atsimon’i Tsaratanàna », hoy ny ben’ny tanànan’i Manakana, Atoa Dalia. Mbola nanamafy izany ny ben’ny tanàna avy ao Mandriamena Rakotosalama Falinirina, ny amin’ny firongatry ny asa ratsy any an-toerana. « Manampy trotraka ireo ny fahatapahan’ny asa amin’ny alalan’ny fanakatonana ny orinasa mpitrandrraka kraoma Apc, izay miteraka olona 300 mahery tsy ho an’asa vokatr’izay. Rehefa mitombo ny tsy an’asa, hanao inona ny olona, mety hiteraka tsy fandriam-pahalemana izany manampy ny olana ara-tsosialy efa misy », hoy ny ben’ny tanàna. Ny solombavambahoakan’i Tsaratanana, atoa José, nanamafy ny fisian’ny tsy fandriam-pahalemana mahery vaika any an-toerana, ka raha mbola misy izao tsy fananana asa ateraky ny fikatonan’ny orinasa izao, dia mampanahy ihany ny toe-draharaha. «Maizina ny tanànan’Andriamena izay efa nisitraka jiro, kanefa tapaka amin’izao fotoana izao. Mitsahatra ny asa fanaovan-dalana mampitohy an’i Brieville sy Manakana, izay nataon’ny orinasa Apc. Tapaka toy izany koa ny asa sosialy sy vola miditra amin’ny kaominina », hoy ny depiote. Vokatr’ireo rehetra ireo, manao antsy avo amin’ny fanjakana izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity. « Hamahana ny olana haingana satria miraviravy tanana ny vahoaka any an-toerana. Heverinay ho toy ny famonoana vahoaka aty amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, fanapotehana ny toekarena, fampitomboana ny tanora tsy an’asa izao », hoy hatrany fanamafisana avy amin’ireto olomboafidy avy any Tsaratanàna ireto raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza. Ity distrika ity izay manan-tantara ratsy amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana, izay mifaningotra amin’ny fitrandrahana kraoma any an-toerana. Manahy mafy ny mponina.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici