- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Maty voatifitra ny tompon'omby, trano roa nodorana

Tsaratanàna : Maty voatifitra ny tompon’omby, trano roa nodorana

Maty voatifitra ny jiolahy ny tompon’omby, naratra kosa ny nanany. Tao amin’ny fokontany sy Kaominina Manakara, disitrikan’i Maevatanàna, no nitrangan’ny fanafihana, ny Zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana, nisy nanafika tao ao an-tranon’ny jiolahy nirongo basy efatra tao amin’io Kaominana io. Maty ny tompon-trano ary naratra ny Zanany. Omby 30 no lasan’ireo jiolahy. Nanao ny fanarahan-dia ny Zandary tao amin’ny borigadin’ny Tsratanàna sy ny miaramilan’ny DAS, ka tafaverina ny omby 25. Mbola mitohy ny fikarohana ireo omby sy ireo jiolahy nanafika. Fa ankoatra izay, jiolahy dimy nitondra basim-borona sy antsy famaky no nanafika ihany koa. Tao amin’ny fokontany Morafeno, Kaominina Ambalajanakomby, disitrikan’i Maevatanàna, ny Alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Nanara-dia avy hatrany fokonolona sy ny Zandary. Raikitra ny fifampitifirana adiny iray taorian’io. Omby 10 no tafaverina. Mitohy ny fanarahan-dia. Ny borigadin’ny Zandary avy eto Maevatanàna izay tarihan’ny Atoa Blaise no misahana ny fanadihadiana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici