Mbola mitohy hatrany ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny kraomita Malagasy ao Brieville Tsaratanana amin’izao fotoana izao ,amin’ny tsy faneken’izy ireo ny fahatongavan’ ireo vahiny hitantana ny orinasa. Nanatanteraka fitokonana faobe izy ireo ny faha-18 Janoary 2019 lasa teo izay samy nahitana ny mpiasa rehetra ao amin’ity orinasa ity , nanambara ny SG sindika kraomita Malagasy Atoa Ratovonjanahary Lala fa ny fitantanana teo aloha no tena fototry ny olana ,anefa tsy nisy ny fijerena fa nanaovana kiantranoantrano ny orinasa .Manomboka mihareraka ihany koa ireo mpiasa amin’ny fitokonana lavareny ka eo ireo efa mangataka ny hampitsaharana ny fitokonana fa hiresaka mivantana amin’ny fanjakana ka lasa mahatonga adihevitra maro amin’ireo mpiasa. Nanambara ihany koa ny solontenan’ny mpiasa Atoa Raharimandranto fano andrianjatovo ‘Délégué » fa tokony hiditra antsehatra ny fanjakana foibe hitady vahaolana haingana satria mijaly ny vady aman-janaky ny mpiasa , eo ihany koa ny fahataran’ ny fandraisana karama ,ahiana hiady an-trano mihintsy ireo mpiasa noho ny fitarozahan’ny fitakiana noho ireo tsaho alefan’ny mpiasa sasany eo amin’ireo famendrofendroana samihafa , dia tsy tena fantatry ny mpiasa rehetra ny tena zava-marina eo amin’ny fitantanan’ireo vahiny ny orinasa Kraomita Malagasy . Raha ny nambaran’ireo vahoaka ao Brieville dia sahirana izy ireo amin’ny fitokonana lavareny ataon’ny mpiasa ,tsy misy mandeha avokoa ny entam-barotra amidy eny amin’ny tsena. Manantena ny filoham-pirenena hijery vahaolana haingana ny mpiasan’ny kraomita Malagasy fa misy mitady hanararaotra izao fahavoazana izao ireo mpanao politika
Janus R