- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Miavaka tanteraka ny Festival Volamena

Tsaratanàna : Miavaka tanteraka ny Festival Volamena

Na dia tany lavitra andriana aza ny distrikan’i Tasaratanàna, dia tsy mijery fotsiny amin’ny asa fampondrosoana sy ny fampiroboroboana ny tanàna ny lehiben’ny disitrika sy ny ao amin’ny kaominina Tsaratanàna izay tarihiny ben’ny tanàna aty an-toerana. Rehefa mitsidika tokoa ny maintany, dia mirona any amin’ny fitrandrahana volamena tokoa ny ankamaroan’ny mponina aty amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, ka izay indrindra no antony nitsirian’ny hevitra teo amin’ireo tompon’andraikitra aty an-toerana amin’ny hanomezana lanja ny lazam-bolamena aty amin’ny faritra. Ary nampitondraina ny anarana  » Festival Volamena » mihitsy ny hetsika mandritra ny telo andro ny 10, 11, 12 Aogositra 2022. Entina hamalifalina ny mponina aty an-toerana dia maro ny hetsika nokarakaraina iarahana amin’Atoa Lafont mpikirakira ara-tekinika. Ny andron’ny Alarobia omaly dia nisy ny fifaninana mitondra môtô, ary ny hazakazaka manodidina ny tanàna nandraisan’ireo tanora anjara aty an-toerana hoan’ny tapany maraina, ary ny tolakandro dia loa-bary an-dasy tao amin’ny kianja mena no niarahana tamin’ireo mpanakanto: Lily, H-Li, Jec Man. Anio Alakamisy kosa dia fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Festival Volamena sy Carnaval sy Miss & Mister Volamena, ary ny moraingy watsa. Ny andron’ny Zoma 12 Aogositra no mifarana ny hetsika ka ny mpanakanto manana ny lazany toa dry Fazilah, Maître Rufin, Jacky Juivon no faranana amin’ny fizarana ny loka. Efa tazana sy manotrona ny lanonana aty an-toerana moa ny Goveronora ny faritra Betsiboka sy ireo delegasionina miaraka aminy sy ny tompon’andraikitry ny filaminana avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena avy any Maevatanàna. Antenain’ny vahoaka maro fa hanana ny lazany ity Festival Volamena andiany voaloany hotanterahina aty Tsaratanàna ity.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici