Tao anatin’ny dimy taona, mahatsapa ny mponina any amin’ny distrikan’i Tsaratanana, fa miparitaka ny basy. Vokany, mandry tsy lavo loha ny vahoaka noho ny horohoro, hoy ny fampitam-baovao marim-pototra voaray. Amin’izao, raha ny fanazavana azo, dia hita eny rehetra eny ny basy, manomboka amin’ny vitagasy « basy karetsaka » ka hatramin’ny Kalachnikov, izay entin’ireo mpivarotra izany mihitsy mitety kaominina sy fokontany mba hamidy. Izay manam-bola dia afaka mividy, toy ireny mividy entana eny an-tsena ireny. Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy any an-toerana, dia mihamahantra ny ankamaroan’ny mponina, nefa ity distrika saro-dalana ity manankarena an-kibon’ny tany maro, toy ny volamena, vatosoa, chrome, sns.
Ankehitriny, napetraka indray ny « Dina isam-paritra » ifampifehezana samy ao Betsiboka rehefa tsy nahomby noho ny firongatry ny asan-dahalo sy ny asa ratsy isan-karazany, ny « Dina tsy mandefitra » sy ny « tsy minday mody ». Nandray andraikitra ny tantsaha mpiompy omby sy ireo mpandraharaha mikirakira volamena ary ny mponina any an-toerana hiaro ny fahapotehan’ny fananany, ka nametraka ity « Dina isam-paritra » izay heverina hampandriana fahalemana indray ny tanàna.
Manitrisa