- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Mitady vahaolana amin’ny firongatry ny kidnapping ny préfet

Tsaratanàna : Mitady vahaolana amin’ny firongatry ny kidnapping ny préfet

Anisan’ny azo lazaina ho tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka an-kehitriny makasika ny firongatry ny trangana « kidnapping, » izay nahazo vahana nandritra ny 26 Desambra taona 2024 lasa teo iny sy ny volana Febroary taona 2025 makaty. Nohon’izany dia tonga nidinika ho fikatsaham-bahaolna, amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalelmana miseho, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, disitrikan’i Tsaratanàna ny préfet Maevatanàna sy ny Solombavam-bahoaka, any an-toerana, ary ny lehiben’ny Zandarimariam-pirenena ato anatin’ny farim-piadidin’ny faritan’i Mahajanga, Commandant de la zone des défenses et de sécurité Ankarafantsika, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, manamboninahitra, avy ao amin’ny tafika sy Zandary. Nivoitra nandritra ireo soso-kevitra maro ireo ny hampandriana fahalemana maharitra, any amin’iny faritra iny. Taorian’izay ihany koa dia nifanaiky ny telo tonta: ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra sivly, ary ny vahoaka, fa hanao soroko miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin’ny ady atao makasika ny firongatry ny trangana kidnapping.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici