- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Môtô efatra nosakanan’ny dahalo, zandary iray naratra

Tsaratanana : Môtô efatra nosakanan’ny dahalo, zandary iray naratra

Tsy mihanona fotsiny amin’ny fangalaran’omby intsony ireo dahalo any amin’iny faritra Betsiboka iny fa efa miroso ihany koa amin’ny fanakanan-dalana. Ny alahady lasa teo, dia môtô efatra, izay nitondra olona valo no nosakanan’ andian-dahalo mirongo basy sy zava-maranitra tao amin’ny toerana antsoina hoe Maroadabo, ao amin’ny fokontany Mandiamila, kaomina Sarobaratra, distrika Tsaratanana. Vokany, lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny entan’ireto olona ireto. Zandary iray kosa izay niaraka tamin’ireto môtô ireto no naratra voan’ny bala rehefa niezaka nanohitra ireo olon-dratsy.

Tokony ho tamin’ny sivy ora antoandro teo no nisehoan’ity fanafihana ity rehefa nipoitra tampoka avy any ireto olon-dratsy, nanakana ny lalan’ireto môtô. Toerana somary saro-dalana ny amin’iny faritra iny, hany ka na kodiaran-droa na kamiao no fitaterana olona sy entana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ity mpitandro filaminana ity ary tsy nampiseho fihemorana akory, eny fa na dia izy irery aza no nanoloana ireo olon-dratsy am-polony maro. Nisy avy hatrany fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ka voa teo amin’ny tanany ilay mpitandro filaminana. Nanararaotra nitsoaka kosa tetsy andanin’izay ireo mpanafika rehefa avy nahazo izay nilainy tamin’ireto mpandeha môtô ireto. Nisy avy hatrany moa ny antso vonjy natao tamin’ireo zandary teny amin’iny manodidina. Ireto farany izay nidina avy hatrany teny an-toerana nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto mpanafika. Araka ny fampitam-baovao azo, dia faharatrana kely no nahazo ilay mpitandro filaminana ary tsy misy ahiana intsony ny amin’ny ainy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici