Lehilahy iray, voarohirohy tamina fakàna an-keriny, tany amin’iny distrikan’i Tsaratanàna iny no voasambotry ny zandary tany an-toerana. Saika hitsoaka anefa ity farany ka voatery nitifitra ny zandary. Namoy ny ainy ity mpaka an-keriny ity.
Ny herinandro teo no voasambotra ity lehilahy ity, tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Betaotàna, fokontany Manongaha, kaominina Sarobaratra, distrika Tsaratanana. Araka ny fampitam-baovao azo dia tsy manana toerana voafaritra ipetrahana ity lehilahy ity, fa mifindrafindra foana. Voalaza ihany koa fa isan’ireo olon-dratsy mpandray anjara nivantana tamina fakàna an-keriny nisesisesy tany amin’iny kaominina Sarobaratra iny ity lehilahy ity. Antony nisamboran’ireo zandary azy. Teny an-dalana handeha hitondra azy tany amin’ny birao hanaovana fanadihadiana anefa ireo zandary no tafaporitsaka tampoka ity lehilahy ity. Raikitra teo ny fanenjehana ary nanararaotra ny fahafantarany ny faritra an-tsakany sy an-davany izy io tamin’izay. Ilay toerana ihany tetsy an-danin’io somary be hazohazo. Voatery nanapoaka basy, nanao tifitra fampitandremana ireo mpisambotra mba hijanonan’ilay olon-dratsy, saingy mbola nanohy ny fandosirany hatrany ity farany. Tsy maintsy nanapa-kevitra ny hitifitra araka izany ireto zandary, ary lavo tamin’izany ilay mpaka an-keriny. Nentina nalefa avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ity olona voatifitra ity. Mbola mitohy foana kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy namany, mpiray tsikombakomba amin’ireo tranga fakàna an-keriny tany an-toerana.
m.L