Nanaovan’ny mpaka an-keriny valifaty ny lehilahy iray antsoina hoe Rija izay voasokajy ho dahalo niova fo. Io farany no nahian’izy ireo ho nanome ny vaovao rehetra tamin’ny mpitandro ny filaminana, momba ny nataon’ireo namany teo aloha izay nanao fakàna an-keriny nisesisesy. Tezitra tamin’izany ireo dahalo ary nanafika tao an-tanànan’i Manakana-Belilopilo, tanàna iray eo amin’ny manodidina an’i Tsaratanàna. Nitondra basy maromaro izy ireo. Ny tena tsikaritry ny olona dia MAS 36 iray ary kalachnikov miisa roa niampy basim-borona izay tsy voafaritra isa. Nitsoka kiririoka avy hatrany raha vao nigadona tao amin’ilay tanàna. Matetika dia mitsoaka avy hatrany ny olona raha maheno izany mba hanavotana ny ainy. Saingy tamin’ity indray mitoraka dia tsy nisy nihetsika ny tranony ireo olona satria efa nampiomanin’i Rija mialoha. Nampanantenainy fa izy no hiaro ny tanàna rehefa manafika ireo jiolahy ireo. Ary dia tena notontosainy tokoa. Nitsambikina ny tamboho nisy ny tranon’i Rija ireo olon-dratsy ary izay tafiditra dia notsiponin’io farany tamin’ny tifitra. Telo teo no lavo dia i Kaleta, i Rasta ary i Bertrand. Naratra mafy tao anatin’izany koa i Del izay isan’ny tena sefon’ireo dahalo. Naharitra adiny telo sy sasany ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Vao nahita ireo lavo ny ambiny tamin’ny mpanafika dia nitsoaka ny toerana. Teny an-dàlana niverina ireo dia mbola nanampatra hatrany ny habibiana. Notifiriny izay olona sendra nifanena taminy. Olona iray, izay antsoina hoe Manakana, no namoy ny ainy tamin’izany ary roa hafa naratra mafy. Isan’ny nodoran’ireo mpanafika ny tranon’i Rija tany amin’ny tanàna hafa ary koa ny tranon-drafozany. Tsy anaty akata intsony fa an-tanàna ny fifanandrinan’ny samy sivily ao amin’ity tanàna ity ary izany dia amin’ny efatra ora sy sasany maraina no nanomboka tamin’io andron’ny talata io. Mbola endrika iray amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana hatrany ity tranga ity ary amin’ny lafiny iray dia tian’ireo olon-dratsy hampitaina mihitsy fa manjaka tokana izy ireo any ambanivolo any. Na ny namany taloha aza dia vonoiny rehefa tsy mifanara-tsaina aminy.
D.R