- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Mpanao volamena notapahin-doha

Tsaratanàna : Mpanao volamena notapahin-doha

Ny zoma lasa teo no nahitàna ny razana. Tsy nisy loha intsony izany raha napetraky ny jiolahy teo amin’ny tany. Jiolahy dimy nitondra basim-borona roa no tompon’antoka. Nanafika mpanao volamena roa lahy izay tratra alina izy ireo. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy ka ny iray tamin’ireo mpanao volamena no tafaporitsaka, tavela teo kosa ny faharoa. Tao amin’ny fokontany Antanambao no nisehoan’izao. Nentin’ireo jiolahy niala roa kilaometatra teo ilay rangahy ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Izany dia mba hoentina hangalana ny volamena milanja 720grs teny aminy. Ilay namany izay afaka nandositra no nampandre ny tanàna akaiky teo. Natao ny fikarohana saingy tsy nahitam-bokany intsony. Raha ny tsikaritra avy amin’ny vaovao kirakiraina isan’andro dia mirongatra ny fanafihana olona, tsy voatery ho halatra omby no antony. Tany Antsohihy koa dia fantatra fa trano roa samihafa no indray nasesin’ny jiolahy miisa dimy izay mitondra kalachnikov sy PA. Tsy nisalasala mihitsy ireo nanapoaka basy mba hahazoana ny vola, ny volamena ary ny finday rehetra tao amin’ireo tokantrano. Nisy ny olona noahiahiana rehefa nandeha ny fanadihadiana ary raha araka ny vaovao nampitain’ny zandary dia miisa roa no efa tazomina ao amin’ny biraon’izy ireo momba ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici