- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Mpivady voatafika sy voatapa-tenda

Tsaratanàna : Mpivady voatafika sy voatapa-tenda

Voarohirohy tamin’ny fahafatesana mpivady voatifitra sy voatapa-tenda, tany Tanambao Tsaratanàna, ny herinandro lasa teo, ny lehilahy iray voasambotra tamin’ny asabotsy. Mbola tadiavina ny namany telo ambiny. Sarona teny amin’ity voasambotra ny basy iray voalaza fa nentiny nanatanteraka ny asa ratsy. Teny am-panaovana fisafoana ny Zandary no naheno vaovao momba an’io lehilahy io. Ity farany no voatondro ho anisan’ireo namono mpivady teny an-tsaha. Natao avy hatrany ny famotorana, ary noentina hatolotra ny fampanoavana, any Mahajanga.Zandary vitsivitsy no nitondra azy any. Mandeha an-tongotra amina lalana sivy folo kilaometatra vao tongo amin’ny toerana hakàna fiara mihazo an’i Mahajanga, hoy ny Zandary ao Tsaratanàna taminay. Ahiana ho vono noho ny valifaty no nihatra tamin’ireto mpivady tany Tsaratanàna ireto. Fantatra fa lehiben’ny dina na fikambanana misahana ny fandriam-pahalemana any Tsaratanàna ity raim-pianakaviana lasibatra.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici