Lemarijy, jiolahy raindahiny any amin’iny distrikan’i Tsaratanana iny ary isan’ireo lefitra sy naman’i Del Kely no maty voatifitr’ireo mpitandro filaminana tao Brieville, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Ny angom-baovao nandritra ny hetsika fampandrian-tany tany an-toerana no nahafantarana fa mitoby ao amin’ny vehivavy namany sady mpamatsy azy ireo izy sy ny jiolahy iray, izay fantatra amin’ny anarana hoe Lamarijy ary fantatra ihany fa isan’ireo lefitr’i Del Kely, hoy ny vaovao. Taorian’izay dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony, nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, niarahan’ny avy eo anivon’ny zandary, tao amin’ny tobim-paritra Andrimena sy Brieville ary ny CSAO, sy ny avy eo anivon’ny Tafika malagasy, ny Holafy faha-322. Vao nahatazana ireto mpitandro filaminana tamy anefa ireo olon-dratsy tao amin’ilay trano, Lemarijy sy ny namany ary vehivavy roa hafa, dia nanao tari-dositra nitsoaka. Ary matoa moa mitsoaka eo anatrehan’ny mpitandro filaminana dia olon-dratsy izay. Raikitra tamin’izany ny fifanenjehena. Efa nandefa fampitandremana ireo mpitandro filaminana fa vao mainka nanao tsoa-pe izy ireo. Hany ka voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanana entina hampijanonana ireto olona nitsoaka. Voan’ny bala ilay lehiben’ny jiolahy ary maty tsy tra-drano, hoy ny vaovao. Voasambotra kosa tetsy an-danin’izay ireo vehivavy roa naman’izy ireo, raha tafaporitsaka ilay olon-dratsy iray. « Nomena ny fokonolona ny razana halevina rehefa avy notsirihan’ny mpitsabo (…) Ilay jiolahy iray kosa dia mbola hatao hazalambo » Mpampihorohoro, mpaka an-keriny, mpanao takalon’aina ary mpangalatra omby, … ireo asa ratsy mampikaikaika ireo mponina any amin’iny faritra iny ny amin’ny afitsoky ny tariky ry Del kely sy ny namany. Marihana fa ny taon-dasa teo dia nisy mihitsy onitra nomen’ny zandary ho an’izay olona mahafantatra na manam-baovao ahazoana misambotra ity lehiben’ny jiolahy ity, saingy hatramin’izao moa dia tsy hita tany nanjavanonana ity farany. Somary nangingina kely ny asa ratsy nataony tao anatin’ny volana vitsivitsy taorian’ny namoahan’ny zandary io fanomezana valisoa io. Niverina tamin’ny laonina indray anefa izay, volana vitsy lasa teo. Efa nisy ihany koa hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana hanaovana hazalambo ity jiolahy ity sy ny ekipany fa saika ireo lefiny avokoa aloha hatreto no, na voasambotra na maty voatifitra, toa ity farany teo ity. Mampiatsiahy ny zava-nisy tany Atsimon’ny Nosy, taona maro lasa izay : Remenabila sy ny namany !
m.L