Niainga tamin’ny nahasamborana lehilahy iray izay nahavita heloka bevava ny raharaha. Namono nahafaty vehivavy io farany ny 19 novambra lasa teo. Rehefa nandeha ny fanadihadiana rehetra nataon’ny zandary dia voasambotra ny nahavanon-doza ny 21 novambra teo raha efa saika hitsoaka tao an-tanàna. Vetivety dia nahoraka ny vaovao ary tonga teny am-poto-tsofin’ny tsirairay tao Tsaratanàna. Ny ampitson’iny ary dia efa tonga tao amin’ny tobin’ny zandary tao an-toerana ny tanora marobe, izay mpiray fiaviana tamin’ilay vehivavy maty. Nitondra kibay sy zava-maranitra izy ireo ary nangataka ny hamoahana ilay lehilahy mba hatao fitsaram-bahoaka. « Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny Komandin’ny Kaompania niaraka tamin’ireo Raiamandreny sy Tangalamena ka niala teo izy ireo nanaiky fa hamela ny zandary hanao ny asany » raha araka ny tatitry ny zandary. Ny ampitson’iny anefa dia mbola niverina teo indray ary mainka aza nitombo an’isa, an-jatony maro. « Niverina nandresy lahatra azy ireo indray koa ny tompon’andraikitry ny ZP sy ny raiamandreny rehetra ary ny tangalamena, kanefa dia nanatona hatrany izy ireo ary efa nanozongozona ny varavarana sy varavaran-kelin’ny toby » hoy hatrany ny fanazavan’ny zandary. Vokatr’izany dia nanao ny fampitandremana ny zandary ny mba tsy hikitihana izany sy tsy hidirana ao, kanefa tsy nanaiky ireo olona. Napoaka ny basy mba hanairana azy ireo, nisy natifi-danitra ary nisy ny natifi-tany. Tovolahy iray no voakasoky ny bala teo amin’ny ranjony ary naratra. Niala avokoa ireo tanora taorian’izay. Nampidinina any an-toerana nanomboka omaly ny « renfort » marobe an’ny zandary ary mitohy kosa ny famotorana ny nahavanon-doza.
D.R