- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Olona 04 indray no nalain'ny jiolahy an-keriny.

Tsaratanàna : Olona 04 indray no nalain’ny jiolahy an-keriny.

Efa manomboka mahazo vahana indray ny trangana fankana an-keriny miseho, any amin’ilany atsimo disitrakan’ i Tsaratanàna, nandritra ny faraparany volana Janoary 2024 sy hatramin’ny Febroary teo, na dia eo aza, ny hiezaka fampandriana fahalemana ny tany ataony mpitandro filaminana roalafy: ny Zandary sy miaramila, amin’ny hetsika izay antsoina hoe: Opération HARATO 2, dia tsy nataon’ireo malaso mahasakana ny asa ratsiny izany. Raha ny fampitam-bavaova voarainay hatrany, tamin’ny tompon’andraikitra ny serasera eo anivon’ny vondro-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, dia tokony tamin’ny sasak’alina mahery 36 minitra no nahazo fampandrenesana amin’ny antso an-taribia, ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’Ambakireny, fa nisy trangana fakana an-keriny olona miisa efatra, tao amin’ny tanàna atao hoe, Tombakatsa, fokontany ao ihàny no kaominina amin’ny toerana voalaza etsy ambony, ka dahalo efa-dahy nirongo basy no voamarina fa nanatanteraka ny asa ratsiny, ary lehilahy iray antsoina hoe: Felix tokony ho 50 taona eo, naratra voatifitra nandritra ny sakoroka nataon’ireo malaso, saingy efa nalefa notsaboina ao Brieville sy tsy misy atahorana ihany koa ny ainy. Taoriana n’y fanafihana no niezaka nitsoaka nalaky niaraka tamin’ireo olona efatra nalaina an-keriny ny malaso, sady nanapoaka basy, hoentina handemena ny iray tanàna, mba tsy sahy hivoaka ny tranony avy. Tsy niandry ela, ireo dahalo, fa niroso tamin’ny lalana nalehany, izay mianatsimo antsinana hiampita ny RN 33A. Ny androtr’io ihany no nandray ny fepetra mety noraisina ny mpitandro ny filaminana mifangorana ahitana Zandry sy miaramila, izay notarihan’ny kapiteny Tsaramaro, kaomandin’ny kaompania any an-toerana. Efa mizotra any amin’ny RN33A ny ihany koa, ny kaompania  » infanterie » faha-322 Ambakireny, hanao fanakatonana ny faritra eo anelanelan’Ambolosy Mahamavo, ary ny Zandary ao amin’ny Poste Fixe Ambohidronono kosa, dia efa voabaiko hanakatona miaraka amin’ny fokonolona, any an-toerana, sao tohizan’ireo olon-dratsy ny fandrosoana ny diany makany antsinana. Marihana fa mbola eny am-pelatanan’ny jiolahy ireo olona efatra nalain’izy ireo an-keriny amin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao. Ary ireto avy no anarana fiantso ireo olona lasa an-keriny: Tafita 30 taona, Donné 20 taona, ny roavavy dia antsoina amin’ny fiantso hoe: Soamiarina sy Zarasoa, samy 16 taona eo. Mitohy hatrany kosa ny fanohizana ny farahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici