- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Raikitra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny mpanaradia

Tsaratanana : Raikitra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny mpanaradia

Tsy mitsitsy mihitsy ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina  Bekapaika, amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ady amin’ny asan-jiolahy. Nahazoam-bokatra ny hetsika nataon’ny Zandary tamin’ny fiandohan’ny volana desambra, raha ny fanazavana azo avy amin’Atoa Zanelisy Armand, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria ato Betsiboka. Nisehoana asan-dahalo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Matsitso, fokontany Matsitso, Kaominina Ambohimiarina, disitrikan’i Tsaratanàna, ny 20 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva.  Vao lasa ireo malaso nanafika  ireo, niantso an-telefaonina sy nampandre ny mpitandro ny filaminana avy ao Bekapaika malaky ny mponina  tany an-toerana. Niaingy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro ny filaminana notarihan’ny leheben’ny Zandary ao Bekapaika, niampy ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra ireo dahalo ireo fa vao niala kilaometatra  vitsy monja ny tanàna, tafiditra tanaty ala iray antsoina hoe Mamolaka, dia efa tratran’ireo mpanara-dia. Raikitra ny fifandonana ary naharitra ihany izany, satria nanana fitaovam-piadiana koa ireo malaso. Raha fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny Zandary eto Betsiboka ihany , dia nirifatra nitsoaka ireo dahalo, ary navelany teo ny omby 210. Raha ny fanampim-baovao hatrany, dia nilamidamina ny halatra omby tato ho ato any any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny satria miasa andro aman’alina mantsy ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fisafoana sy ny fijerena ireny toerana kizo ireny.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici