- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna: Raikitra ny hazalambo taorian’ny famonoana polisy

Tsaratanàna: Raikitra ny hazalambo taorian’ny famonoana polisy

Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena fa nizotra nankany Tsaratanàna ary hanao haza lambo ireo jiolahy namono sy nandratra ny olony. Tonga tany an-toerana izy ireo omaly ary tsy niandry ela naka ny vaovao rehetra mahakasika ilay fitifirana ilay “brigadier de police” ka nahafaty azy sy ilay kaomisera iray naratra voan’ny bala roa teo amin’ny lohany sy ny vatany. Ireo pôlisy nahazo fiofanana manokana amin’ny fidirana an-tsehatra rehefa toe-draharaha mafana, toa ny SAG (Service Anti-Gang), USI (Unité Spécialisé d’Intervention), FIP (Force d’Intervention Policière), pôlisy mpanao fanadihadiana eo anivon’ny BC (Brigade Criminelle) no indray any an-toerana. Araka izany dia sady misy ny fanadihadiana misokatra ary somary hafainganina izany mba hahazoana manao hazalambo izay tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona. Raha hiverenana dia mpandraharaha ara-barotra momba ny vato sarobidy no saika notafihan’ny olon-dratsy. Hitan’ireo pôlisy tao an-toerana izay nandeha môtô izany ary niditra an-tsehatra izy ireo. Raikitra araka izany ny fifampitifirana. Ny olana dia lany bala ireo pôlisy nandritra ny sakoroka ary nahatonga ireo jiolahy ho lasa nahazo vahana. Nanapa-kevitra avy hatrany ny minisiteran’ny pôlisy nampidina ireo olony, ny ampitson’iny ihany, any Tsaratanàna. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha…

D .R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser