- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Raim-pianakaviana nisy namono, voasambotra ny tompon’antoka

Tsaratanana : Raim-pianakaviana nisy namono, voasambotra ny tompon’antoka

Tsy mikely soroka amin’ny asa fampandriana fahalemana ny tany sy ny fikarohana ireo olon-dratsy mampitondra faisana ny vahoaka ny Zandary, ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka. Raha tsiahivana tokoa ny zava-nitranga, dia ny faha-15 hifoha 16 oktobra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny folo ora alina no nisehoana fanafihan-dahalo mitam-piadiana toy ny basim-borona sy zava-maranitra ny fianakaviany nitoby tany an-tanimbary, iray kilaometatra andrefan’ny tanànan’Ambodiadabo, fokontany Bemakamba, kaominina ambanivohitra Bekapaika, any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tamin’izay indrindra novonoin’ireo dahalo tamin’ny fomba feno habibiana ny raim-pianakaviana iray tokony 61 taona, raha tafaporitsaka nitsoaka ny vadiny, nandritra ny zava-niseho, ka nampandre ny fokon’olona tany an-tanàna. Nafatotra, notofirina, sady noratraina, ilay raim-pianakaviana tamin’izany. Taorian’izay no nanao ny asany ny Zandary, ary fantatra fa ao Antanimbaribe, fokontany Bemakamba, kaominina Bekapaika, disitrikan’i Tsaratanàna ny roa tamin’ireo dahalo ny faha-30 oktobra taona 2024, ka izao Voasambotra izao ny iray. Misokatra ny fanadihadiana, ary mitohy tsy misy hatak’andro ny fikarohana an’ireo malaso sasany.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici