- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Vehivavy roa takalon’aina votsotra

Tsaratanàna : Vehivavy roa takalon’aina votsotra

Efa am-bolana maro vao votsotra ireo olona nalain’ny jiolahy an-keriny tany amin’ny toerana atao hoe Ambolosy, fokontany ao ihany, kaominina Ambakireny, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna. Raha ny angom-baovao voarainay hatrany, dia teo anelanelan’ny tanànan’i Soalazaina sy Marotsopoy/Analamanga no votsotra izy roa vavy, izay fantatra amin’ny anarana hoe: Raveloarimana Valiso Mathilde, tokony 28 taona eo, sy Ranantenaina Louisette tokony ho 18 taona eo ihany koa, samy monina ao Ambolosy. Ny fampitam-bavaova no nahalalana fa tamin’ny 01 ora maraina no niala ny toeram-ponenany ireo solontena roa avy amin’ny fianakavian’ireo niharan’ny fakana an-keriny mba hihazo ny toerana notondroin’ireo mpaka an-keriny ny faramparan’ny herinandro teo iny. Tsy nisy ny fampahafantarana ny  » FDS  » na ireo mpitandro ny filaminana. Noezahina tsy nampahafatarina ny mety ho fisian’ny vola takalon’aina na tsia kosa ireo fianakaviana. Marihina fa salama tsara moa izy roa vavy natao takalon’aina nandritra ny volana ela tany anaty akata. Mbola eo am-pikarohana ny takalon’aina hafa ny zandary avy ao amin’ny borogady Brieville, izay miandraikitra ny fanadihadihana amin’ ity raharaha ity, ary mikaroka ireo mpaka an-keriny sy ny mpiray tsikombakomba amin’ny malaso.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici