- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Voasambotra ireo olona ahiana ho naka an-keriny ny « ...

Tsaratanàna : Voasambotra ireo olona ahiana ho naka an-keriny ny « Chef Zap »

Tsy nanaiky hatramin’ny farany reo zandary any Tsaratanàna raha tsy voasambotra ireo  ahiana ho naka an-keriny olona dimy tany Tsaratanàna, isan’ireo ilay sefo zap iray , andro vitsy lasa izay. Efa tafaverina eo anivon’ny fianakvaiany avokoa ireo olona ireo, saingy nisy no nanolotra vola an-tapitrisany ariary maro tany amin’ireo jiiolahy vao afa-bela. Na teo aza izany dia nanohy ny fikarohana ireo malaso hatrany ireo Zandary tany Tsaratanàna nampian’ireo namany avy amin’ny Gsis izay efa tany an-toerana nikaroka ireo olona lasa an-keriny ireo. Olona valo no voasambotra ahiana ho tena nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny. Natolotra ny fampanoavana any Mahajanga ny alatsinainy 25 febroary lasa teo izy ireo. Naharitra ora maro ny famotorana izany. Ka naiditra an-ponja vonjimaika ao Marofoto. Nodinihina manokana teo anivon’ny filankevitry ny governemanta, tamin’ny zoma 22 febroary lasa teo ihany koa ny momba ny tsy fandriam-pahalemna mahazo laka any amin’ny disitrikan’i Tsaratnàna iny. Ka izay indrindra no antony nidinan’ny lehiben’ny governemanta teny ifotony niaraka tamin’ireo minisitra telo miralahy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici