Manjaka tanteraka mihitsy ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’i Tsaratanana iny amin’izao fotoana izao. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo dia fantatra fa mpampianatra iray misotro ronono, monina ao Morafeno, ao amin’ny distrika Tsaratanana indray no lasibatry ny adian-jiolahy nitondra zava-maranitra. Efa-dahy izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo, no nanao amboletra niditra tao amin’ny tokantranon’ity mpanabe ity tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Tsy fantatra izay niseho fa novinavinaina ho tsy nanaiky izay zavatra nangatahin’ireo olon-dratsy ity lehilahy lehibe tokony ho 62 taona ity ka avy hatrany dia nanamparan’izy ireo ny habibiany. Naratra mafy ity farany vokatry ny kapa famaky maromaro nahazo azy teo amin’ny lohany sy ny sandriny. Ity farany moa izay voatery nentiny novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana taorian’ny fanafihana nahazo azy. « Batteries » roa moa no lasan’ireo olon-dratsy, niaraka tamina « amplibaffle » iray. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo zandary any an-toerana ary efa eo am-pikarohana ireo olon-dratsy.
m.L