- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Vosotra ireo takalon’aina 4, nandoa vola 15 tapitrisa Ar ny havany

Tsaratanàna : Vosotra ireo takalon’aina 4, nandoa vola 15 tapitrisa Ar ny havany

Noho ny tahotra ny valifaty, dia tsy nety nanambara ny toerana nanaovana ny fifanakalozana mihitsy ireo olona nalaina an-keriny sy ny havany.  Raha ny loharanom-baovao voaray, rehefa nandoa vola 15 tapitrisa ariary, ny alahady teo, ny havan’ireo takalon’aina miisa efatra, nalain’ny jiolahy an-keriny tao amin’ny fokontany Morafeno, Distrikan’i Tsaratanàna, ny 08 febroary lasa teo, dia avotra soamantsara omaly ny « Chef ZAP » Tsaratanana I (Dren Betsiboka), sy ireo olona telo hafa niara-nataon’ny dahalo « kidnapping » niaraka taminy. Raha ny fantatra, dia efa tsy lavitra ny toerana nanaovana ny fifanakalozana no nisy an’ireo mpitandro filaminana mikaroka ny olon-dratsy, nefa noho ny tahotry ny fianakaviana sao dia hisy fifandonana, ka hahafaty ny havany sy ny fisian’ny volabe tany amin’izy ireo, dia notapahin’ ireto fianakavina ny fifandraisana an-telefaonina tamin’ny Zandary, ka tsy afaka nanao « actions » ireto farany. Efa tonga tao Morafeno Tsaratanàna ireo takalon’aina votsotra notronin’ny fianakaviany avy vao nampahafantarina ny be sy ny maro. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia salama tsara na dia reraka ny « Chef ZAP » Lanto. Omaly tolakandro moa, dia niarahaba azy tafaverina indray teo anivon’ny fianakaviany sy ny fianakaviamben’ny fanabeazana ireo mpampianatra ao Tsaratanana, ary ny Alakamisy ho avy izao kosa no fotoana hiarahaban’ny mpampianatra rehetra eo anivon’ny Cisco Tsaratanana tapany avaratra azy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici