- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Votsotra nandritra ny fifampitifirana ilay vehivavy nalaina an-keriny

Tsaratanàna : Votsotra nandritra ny fifampitifirana ilay vehivavy nalaina an-keriny

Tsy niandry ela ireo Zandary any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, rehefa naheno ny trangana kidnapping niseho, tao amin’ny tanàna atao hoe: Bevondrona, fokontany Malamamaina, any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, disitrikan’i Tsaratanàna ny alin’ny faha-25 Febroary taona 2025 teo, tokony tamin’ny sivy ora mahery 45 minitra tany ho any, fa tonga dia niroso tamin’ny farahan-dia tsy nisy hatak’andro, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany. Nifankahatratra ny roa tonta, tamin’ny toerana tsy mbola nahazoana vaovao, fa raikitra fotsiny fifampitifirana, izay naharitra ora maro, ka nitsoaka nandositra ny jiolahy efa-dahy nirongo basy taorian’izay no navelan’ireo teo, ilay vehivavy nalaina an-keriny. Avotra soa aman-tsara ity farany no tsy misy hatahorana ihany koa ny fahasalamany hatreto hoy hatrany fampitam-baovao voarainay.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici