Tao anatin’ny fanenjehana dahalo no nahafaty an-dRakotomalala Dera Théogèe, zandary mpianatra asa ary avy amin’ny sampana EP3 eo anivon’ny « Force d’Intervention de la Gendarmerie Nationale” (FIGN). Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antsirasira, ao amin’ny kaominina Betrandraka, izay eo anivon’ny distrikan’i Tsaratanàna, no niseho ny fifandonana. « Nandre vaovao mikasika ny fisian’ny dahalo mpangalatra omby ny zandary tao amin’ny borigady Andriamena ka nandefa zandary maromaro izay mbola nampian’ireo avy amin’ny FIGN izay efa elaela tany an-toerana noho ny asa fampandrian-tany. Teny an-dalana ho any Antsirasira izy ireo no nisy tifitra nanakan-dalana tampoka ka nahalavo ny zandary voatonona anarana tetsy ambony. Voa teo amin’ny lohany izy ary maty tsy tsa-drano » raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria. Nitohy anefa ny fifanenjehana tao anatin’ny haizina na dia teo aza izany. Vaky nandositra ireo dahalo ary tavela tamin’izany ny basim-borona telo sy poleta iray izay isan’ny nampiasain’ireo. Lavon’ny zandary tao anatin’ny sakoroka ny iray izay heverina fa mpitarika ity andian’olon-dratsy ity. Navelan’ireo dahalo teo an-toerana koa ireo omby miisa 45 vao avy nangalarin’ireo. Tanora mbola erotrerony ilay zandary namoy aina. Raha ny fanazavan’ny sampan-draharahan’ny serasera eo anivon’ny zandarimaria dia 25 taona izy ary mbola mpitovo. Tsy moramora ny asan’ny zandary izay miady amin’ny dahalo any ambanivolo any raha oharina amin’ny zava-misy hatramin’ny taon-dasa teo. Saika isan-kerinandro no misy izay lavo am-perinasa ka nampiakarina aty an-drenivohitra mba homem-boninahitra farany. Mahay miady ny dahalo ary tsy azo tsinontsinoavina ny fahaizan’izy ireo mampiasa fitaovam-piadiana. Toa azo eritreretina aza fa misy mpampiofana manokana mihitsy ireo olon-dratsy ireo. Hainy toa ny paosiny rahateo ny mombamomba ny kizo iafenany, izay matetika dia ao anaty ala kirihitra. Manasarotra ny fanenjehana azy ireo izany rehetra izany. Andrasana tanteraka ny fampiasana teknolojia amin’ny ady amin’ny asan-dahalo. Mba tsy ho sorona isak’izay mandeha ny mpitandro ny filaminana izay efa tena manao ny ainy tsy ho zavatra ankehitriny. Amin’ny lafiny iray koa dia tokony hahatonga saina ireo olona manao trafikam-basy ny tranga toa izao, indrindra raha mpitandro ny filaminana izy ireo. Tokony ho ao an-tsainy fa isaky ny mahalafo basy iray dia midika izany fa mety hahafaty ny namany iray na maromaro izy…
D.R