Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay tovolahy mpiambina eo amin’ny tsena manodidina ny farihin’ny Behoririka rehefa nakarina fampanoavana ny alakamisy 04 aprily teo. Noraisin’ny fitsarana izany fanapahan-kevitra izany noho ity tovolahy ity voampanga fa nanao herisetra tamina mpivarotra ao amin’io tsena io ny alahady 31 martsa lasa teo.Araka ny fanazavan’ny mpitory dia efa lonilony hatramin’ny ela no nahatonga ity voampanga nanao izao asa ratsiny izao. Mpiambina tao amin’io fivarotana io izy teo aloha saingy nisy ny tsy fifanarahana teo aminy sy ny mpampiasa azy ka dia niala tao. Taty aoriana anefa dia tsy nitsahatra nampihorohoro sy nila vaniny tamin’ilay mpiambina vaovao nisolo ny toerany izy. Nitranga izao olana izao rehefa norarana tsy handrehitra afo amin’ny alina eo amin’io tsena io ireo mpiambina eo hatramin’ny nitrangana haintrano teo an-toerana tamin’ny taona 2017. Ity mpiasa voampanga ity anefa dia mbola nanao izany ihany indray alina. Tsy novonoiny tsara anefa izany afo izany ka nahamay ny motoan’io mpampiasa azy io izay tonga maraina teny an-toerana. Noho io antony io dia nampanantsoina daholo ireo mpiambina rehetra tao amin’ny tsena ka nampahatsiahivina azy ireo ny didy mandrara ny fandrehetana afo izay mitera-doza toy izao. Nahagaga anefa, ity mpambina voampanga ity indray no nampiaka-peo sy nampitady mpiambina hafa an’ilay mpampiasa azy raha tsy faly hono ity farany. Nahita olona tokoa ilay mpampiasa azy, ka nanomboka teo ny olana. Voalaza fa nanaovan’ity tovolahy ity heritsetra hatrany io mpiambina vaovao io ka nahatonga ilay mpivarotra mpampiasa azy nametraka fitoriana fiandry teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny alahady 24 martsa teo anefa dia tonga nihantsy ady tamin’ilay mpivarotra mihitsy ity ranamana ity. Ny talata 26 martsa alina dia notanterahany tokoa ilay fihantsiana nataony. Tonga teo izy ka nidaroka ilay mpiambina tamin’ny seza ka nahavoa ity farany tao amin’ny lamosiny sy ny tongony. Nitory ity nahavanon-doza teny amin’ny Tribonaly ilay mpampiasa ny alarobia 27 martsa.Tonga nisambotra io tovolahy io teny Behoririka ny polisy avy ao Tsaralalàna izay nanankinan’ny Fitsarana ny raharaha ny talata 02 aprily teo. Tratra teny an-toerana tokoa ny lehilahy ary mbola nahitana rongony ihany koa teny aminy. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ny alakamisy 04 aprily lasa teo ka izao nitarika azy nakany am-ponja izao. Nahagaga anefa fa raha vao nivoaka ny fampanoavana ilay mpiambina niharan’ny herisetra dia nantsoin’ny renin’ity voampanga izay marihana fa filoham-ponkotany, araka ny fanazavana, mba hanaraka azy fa ilainy hono. Nanaraka azy tokoa ralehilahy na dia nanakana azy aza ilay mpampiasa azy sy ny reniny. Nanomboka teo dia tsy niverina niasa intsony ary tsy nody tany an-tranony mihitsy izy hatramin’ny sabotsy 06 Aprily . Noho ny ahiahy dia efa nametraka fitarainana eny amin’ny mpitandro ny filaminana mikasika izao fanjavonan’ny havany izao ny fianakaviany. Manahy ireto farany satria tamin’io sabotsy io ihany dia nahazo fiantsona avy any amin’ny polisy boriborintany fahatelo Antaninandro ny mpampiasa ity tovolahy ity. Tsy vitan’izay fa nisy ihany koa ny fandrahonana izay nataon’ny renin’ilay voampanga an’ilay mpampiasa fony mbola teny amin’ny fitsarana. Mandeha ihany koa ny feo fa toa ity mpiambina izay nanjavona ity no lasa mitory ilay mpampiasa azy ka nahatonga io fiantsona any amin’ny polisy io.
T.M.