- Publicité -
mardi, janvier 27, 2026
AccueilFaits-DiversTSENA SABOTSY ANTSIRABE :  Miparitaka ny loto, maimbo, mamofona ny manodidina

TSENA SABOTSY ANTSIRABE :  Miparitaka ny loto, maimbo, mamofona ny manodidina

Namela takaitra maro ho an’ireo mpandraharaha, mpivarotra ambongady na mpivarotra madinika ary seha-pihariana maro teto Antsirabe sy ny manodidina ny famaizan’ny tsena Sabotsy, volana vitsivitsy lasa izay. Tsy fantatra mazava mandrak’androany ny tena antony namay ny tsena; asa raha mbola mitohy ny fanadihadiana na hijanona eo, fa maro aloha ny tsy tafarina intsony ireo mpivarotra vokatr’iny loza iny.

Nisy ny tolo-tanana tetsy sy teroa, fanampiana, saingy toa tsy nahitana mangirana ireny; tsy hitan’ilay tsena midadasika ny fanavaozana nentiny. Ny tsikaritra dia samy manarina ny fivarotany ireo mpivarotra, miezaka manangana ny tsena araka izay vitany avy, tsy misy manaraka ny fenitra. Atao ahoana moa fa sahirana koa ireo mpivarotra ka zara aza mitsangana ny tsena; efa antom-pivelomana izy ity, hoy ireo mpivarotra, ka izay eo am-pelatanana no ampiasaina. Tsikaritra fa vao mainka nihatery ny lalana tokony hizorana ao an-tsena Sabotsy, samy manao izay saim-patany ny mpivarotra. Asa mbola misà ve ny lehiben’ny tsena manoloana ny zava-misy, fa zary lasa gaboraraka ny fandaminana ny tsena; ny mpagaro-paosy sy ny tonta kely manao ny ataony.

Ankoatra izay, amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao, miparitaka ny fako, ny loto anaty lakan-drano mivoaka ety ivelany, mamofona tay miharo fofona hafahafa, tsy zaka ny manodidina. Saika mitampin’orona avokoa izay mandalo amin’iny faritra antsinanan-tsena iny, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy io toerana io. Toy ireny tanim-bary azo ketsaika ireny raha ny fotaka ao ampovoan-tsena. Sahirana ny mpiantsena na ireo mpivarotra aza miaina anaty loto.

Tsy azo hodian-tsy hita anefa fa sehatra manan-danja iankinanan’ny sosialim-bahoaka ny tontolon’ny varotra sy fanjifana; saika niompona amin’ny varotra avokoa ankehitriny ny seha-piharian’ny olona, taratry ny fahasahiranana sy fahantrana izany.

Nisy ny fandavalovan’ny minisitry ny varotra sy fanjifana teto Antsirabe, Rtoa ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle, ny faran’ny herin’andro lasa teo. Taorian’ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpandraharaha teto Antsirabe mahakasika ny fampiroboroboana ny varotra sy ny tontolony dia nidina tao Antsena Sabotsy Rtoa minisitra, notronon’ireo mpiara-dia taminy sy ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra, niampy ireo mpiara-miasa aminy, nitafa mivantana tamin’ireo mpivarotra sy mpanjifa sendra azy. Ankoatra izay, nanolotra fitaovana ihany koa ity farany entina hanatsara ny tsena.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter