- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsena Sabotsy : Mpangarom-paosy 5 lahy voasambotra, avy any Antananarivo ny iray

Tsena Sabotsy : Mpangarom-paosy 5 lahy voasambotra, avy any Antananarivo ny iray

Toerana fieren’ny jiolahy sy tontakely ny tsena lehibe tahaka itony, ary maro ireo lasibatra amin’ny harom-paosy sy fanendahana ao an-tsena Sabotsy ao. Na dia efa nametrahana ireny polisin’ny tsena ireny aza ao Sabotsy dia hita fa tsy mahenika ny toerana izy ireny, midadasika rahateo ny tsena ary tsy kely koa ny ratsy. Isan’ny mampirongatra ny tontakely ihany koa ny fahamaroan’ireo zaza mirenireny tsy manan-kialofana ao an-tsena Sabotsy ao ka miteraka tsy fandriam-pahalemana. Ny harom-paosy hatreto no tena mahazo vahana, ka saika ireo tovolahy kely vao erotrerony avokoa no manao ity asa ratsy ity. Misy aza ny sasany tena mbola zaza mihitsy. Dimy lahy izao no saron’ny polisin’ny tsena ny herinandro lasa teo. manodidina ny 12  sy 14 taona ny salan-taonany, ary ny nanaitra dia avy any Antananarivo ny iray tamn’izy dimy lahy voasambotra ireto. Tsy manan-kialofana koa ry zalahy ireto fa dia mirenireny ao an-tsena no asany, ny sasany miasa mibata entan’olona, ny sasany kosa dia mangarom-paosy tsotra izao. Ny sasany tamin’ireo voasambotra ireo dia teo am-panisana vola no tratra, ny hafa kosa tratra am-bodiomby mihitsy. Efa natolotra ny mpitandro filaminana moa izy dimy lahy kely ireo. Fa tsikaritra fa miverina indray ny fanaovana sinto-mahery eto Antsirabe. Eo Avaratsena Sabotsy sy Antsenakely no toerana tena isehoan’ity sinto mahery ity. Ny vehivavy hatreto no tena sahin’ireo jiolahy ka ireo milalao finday eny ambony posy no tena lasibatra na ireo mpiasa tratra hariva mamonjy fodiana. Marihana anefa tsy hoe andro maizina no isehoan’ity sinto-mahery ity fa mbola mazava ihany. Manomboka mitaintain-dava ihany koa amin’izao ny mponina eto Antsirabe  noho ny tsy fandriam-pahalemana na eny an-dalana izany na an-trano fonenana, satria re matetika fa maro ny trano vaky eto Antsirabe fotoana maromaro lasa izay.

Andry N

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici