- Publicité -
samedi, novembre 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsena Sabotsy : Trano 4 klilan’ny afo

Tsena Sabotsy : Trano 4 klilan’ny afo

Nitrangana hay trano indray tao an-tsena Sabotsy Antsirabe, trano 4 no may kilan’ny afo tsy nisy noraisina intsony.

Tokony ho tamin’ny 9 ora no nanomboka nirehitra ny afo alin’ny Alatsinainy lasa teo iny. Trano iray mpivarotra kafé sy mofo  no volaza fa  niantombohan’ny afo ary vetivety dia niitatra ny afo ka io nandrava trano miisa efatra io. Manamorona ny tamboho amin’ny ilany atsinanan-tsena no nisy ny firehetana. Marihina moa fa ny ankabeazan’ny mpivarotra ato amin’ity tsena sy ny manodidina ity toerana may ity dia tsy misy monina ao fa trano fiasana sy fivarotana avokoa ny ankabeazany ka na nantsoina aza ireo tompon-trano dia tsy nisy naheno. Ny fokonolona teo amin’ny manodidina sy ireo mpiambina tsena no naira-nisalahy namono ny afo. Somary naharitra ihany ny namehezana ny afo satria vetivety dia niitatra. May tao amin’ireo trano ireo avokoa ny entam-barotra sy fitaovana maromaro . Soa aloha fa nisy paompy tsy lavitry ny loza ka tsy nitaran’ny afo lavitra.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici