- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsena Tanambao : Hoesorina amin'izay ilay trano tsy ara-dalana

Tsena Tanambao : Hoesorina amin’izay ilay trano tsy ara-dalana

Taorian’ny fihaonan’ny Prefet de region sy ny filohan’ny filan-kevitra monosipaly ary ny ben’ny tananan’ny Cu/Fort-dauphin no nahafantarana izany.Fivoriana notanterahina tao amin’ny kominy, ny alatsinainy teo. Tapaka izany noho ny fangatahan’ireo mpivarotra anana . Tsara ny manamarika, fa fony filoha lefitry ny delegasiona manokan’ny kominy ambonivohitr’i Fort dauphin no nanararaotra nametraka nanorina ilay trano. Tsy nety tamin’ireo mpivarotra ny fisian’ilay trano ary nampiakatra ny raharaha tany amin’ny PDS tamin’izay fotoana izay. Nampahafantarina ihany koa ny solombavambahoaka sy ny Prefet de region ary ireo to teny. Tranga zay nifamorian’ny foko niavian’ilay PDS lefitra an-kilany sy ireo lazaina fa foko avy ao an-toerana andaniny. Tsy tontosa ny fanesorana ilay trano fony ny Pds teo aloha fa nandrasana ny fisian’ny filan-kevitra monosipaly. Nandray ny fanapahan-kevitra ny tao amin’ny fiadidian’ny tanana, fa hoesorina ary dia niafara tamin’ny tolony hatao.Tafiditra amin’ny fampiharana ny drafitra hoamin’ny tanan-dehibe.Fa ny nanaitra efa nisy tamin’ireo to teny ao Fort-dauphin no efa nandray vola 1tapAr, mba ho tambiny tsy hanesorana ilay trano, kanjo nisy nahatsikaritra dia naverina ilay vola. Manoloana ny hofandravana ilay trano, faly ary, misaotra ny ben’ny tanana Mamy Georges Randrianaina ireo mpivarotra traka noho ny fandraisany andraikitra.Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana avokoa izany rehetra izany.

Onésime

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici