- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversTsenaben’Isotry : Rangahy lehibe tsy ampoizina, tratra nanendaka

Tsenaben’Isotry : Rangahy lehibe tsy ampoizina, tratra nanendaka

Tsy misy tandroka ny ratsy, hoy ny fitenenana izay ary tsy azo tsaraina ety ivelany tokoa ny maha-olon-dratsy ny olona iray. Lehilahy lehibe iray tokoa mantsy no tra-tehaky ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra, teny amin’iny faritra Tsenaben’Isotry, teo am-panendahana, ny andro ny 29 martsa teo. Ireo pôlisy manao fisafoana tsy tapaka amin’izany toerana izany no nahatsikaritra azy ity, raha ny vaovao voaray. Tsy nanao fanamiana ireto mpitandro filaminana, mba tsy hahamailo be loatra ireo tontakely hojonoina. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa efa nahamailo tanteraka ireo pôlisy mitazana azy tsy lavitra teo ny fihetsiny, eny fa na dia azo lazaina fa  efa lehibe ihany ingahirainy. Mazava ho azy, tsy hisy hihevitra azy ho mpanendaka rahateo ireo  mpiantsena. Na dia izany aza, narahi-maso akaiky ny fihetsiny. Ary tsitapitrapitr’izay tokoa dia niroso tamin’ny fomba fanaony ny anao lahy. Tsy nisy fisalasalàna intsony fa teo no eo ihany dia niroso tamin’ny fisamborana ihany koa ny pôlisy.

Fa ankotr’ity lehilahy ity dia tovolahy iray ihany koa no tra tehaka, tsy lavitry ny toerana nisamborana iry voalohany. « Iny toerana iny izay tena itarainan’ireo mpandalo amin’ny tsy fandriam-pahalemana,ny hamaroan’ny mpisito-mahery sy mpanendaka. Mitohy hatrany araka izany ny hetsika ataon’ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana amin’ny fanaraha-maso ny tanàna indrindra ireo toerana be mpivezivezy,tanjona amin’izany ny hamongorana ireo mpanao sito-mahery sy mpanendaka. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy moa ireo olon-dratsy hanatanterahana ny famotorana azy ireo »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici