
Mila manana toerana manaraka ny fenitra famonoana akoho amam-borona.
Tsara ny kalitao, efa miparitaka eraky ny Nosy ny vokatra « foie gras » ao Behenjy saingy mila manana toerana manaraka ny fenitra famonoana akoho amam-borona vao afaka mahazo anjara amin’ny tsena iraisam-pirenena. Isan’ny nivohitra izany nandritra ny tsenaben’ny « foie gras » natao ta Behenjy nandritra ny roa andro, natomboka ny 14 Aogositra lasa teo .
Mitana anjara toerana lehibe ho an’ny mponin’ny Behenjy sy ny toe-kareny ity famokarana « foie gras » ity satria aman’alina ireo olona mivelona sy mahazo tombony amin’ity seha pihariana ity. Misy ireo tantsaha miantoka ny fambolena katsaka ho sakafon’ny sarin-dokotra, misy koa ireo miompy sy mikarakara n sarin-dokotra fotsiny hamoahana ny « foie gras ». Rehefa tsara sakafo sy vita karakara tsara ny sarn-dokotra iray dia azahoana aty matavy 300 g atramin’ny 1kg mihitsy. Orinasa iray mihitsy no miandrakitra azy ity satria misy ireo voatokana hiandraikitra ny fanodinana sy famonosana azy fotsiny.
Andiany faha efatra ity tsenaben’ny foie gras natao ity, manome fotoana indray mpikarakara amin’ny taona 2026 ary mampanantena fivoarana eo amin’ny kalitao hatrany sy ny tolotra.
Andry N.