Mirongatra ny asa fanendahana sy ny harom-paosy eny amin’ny tsenan’ Anosibe sy amina toerana maromaro be olona mpivezivezy eto andrenivohitra tato ho ato, indrindra amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao. Ramatoa iray niantsena no lasibatra omaly naraina tokony ho tamin’ny valo ora latsaka kely teo, tetsy amin’ny tsenan’ Anosibe. Tratra ambody omby ilay tovolahikely 12 taona mpangataka an-tsena.Lasany tamin’izany ny vola roa arivo sy iray alina ariary. Nihiaka ilay ramatoa ka taitra ny teo amin’ny manodidina. Nitsoaka ilay zazalahy mpanendaka, nefa tsy lasa lavitra dia traingo, ka niharan’ny daroka ary naratra mafy nibindana tarehy sy nivoa-dra teo amin’ny orony. Saika nanaraka hatramin’ny ainy raha nisy kely.
Mody mangataka sy mitakosina. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana nandritra ny angom-baovao, dia tsy vao sambany ity zazalahy ity no sarona mangarom-paosy toy izao, nefa dia tsy mety fay fa mamerin-keloka hatrany. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ihany koa dia matetika ireo ankizy mirenireny mody mangataka mahonena no tena mpangarom-paosy an-tsena. Misy amin’izy ireo no mitalaho noana, ka mikarama mibata entan’olona.
Manitrisa