- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsenan’Andravoahangy : Misy komity ahiana hisoloky

Tsenan’Andravoahangy : Misy komity ahiana hisoloky

Manahy ankehitriny ny mpivarotra ambongadiny sasany, izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana iray, ny  mahakasika ny famadihana ny tsena ho trano biriky. Ny anton’izany dia ny fisian’ny olona sasany izay milaza ao anaty komity, fa efa nahazo ny taratasy fahazoan-dàlana manatontosa an’izany izy ireo. Raha araka ny taratasin’ny kaominina anefa dia ireo mpivarotra taozavatra ihany no nahazo izany fahazoan-dàlana hanorina trano biriky izany. Angalan’ireo olona anaty komity vola ny mpivarotra. Ao anatin’izany ny fivarotany ny drafitry ny trano (plan) izay “photocopie”. Ny tena ahian’ireo mpivarotra voakasika dia ny hoe ho lany vola fotsiny ve izy ireo raha toa ka miditra amin’ny fanamboarana, kanefa mety harodana indray izany rehefa hisy ben’ny tanàna vaovao ka hanao fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny hetahetany. Etsy andanin’izany dia lasa manome vahana ny  fanorenana tsy ara-dalàna ao an-toerana ny tsy mampazava loatra ny tena tanjon’ireo komity misahana ny raharaha ireto.

RSD

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser