- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsenan’ny Coum 67ha : Hanao tsena maty ireo mpivarotra ny talata ho...

Tsenan’ny Coum 67ha : Hanao tsena maty ireo mpivarotra ny talata ho avy izao

Hatsahatra aloha ny fitokononana, raha ny filazan’ireo solontenan’ny mpivarotra ao amin’ny Tsenan’ny Coum 67ha, mba hisian’ny fitoniana sy filaminana eo amin’ireo mpivarotra sy ny mpanjifa. Fehinkevitra izay nivohitra nandritra ny fampiantsoana mpanao gazety nataon’izy ireo ny zoma  teo tetsy amin’ny Epp 67ha. Voalaza tamin’izany ihany koa fa, nampakarina teny amin’ny fitsarana ady maika ny raharaha, ka ny talata 23 Septambra ho avy izao no hisian’izany fitsarana izany. Nitaona ny mpivarotra rehetra ho eny amin’ny Fitsarana avokoa moa ireto solontenan’ny mpivarotra ireto, ka hanao « tsena maty » amin’io andro io. Nivohitra ihany nandritra io valandresaka io, ny fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana ny hanolorana io tany, izay an’ny Seimad, mba ho an’ireo mpivarotra asatanana malagasy. Voalazan’izy ireo moa fa taorian’ny Tsenan’Anjoma, izay nampalaza izay fivarotana ny asa tanana malagasy izany, dia eo amin’ny tsenan’ny Coum no hany sisa toerana ahafahana mampiranty sy mivarotra izay vokatra malagasy izay. Manampy izany ihany koa ny fitakian’izy ireo ny hanaovana io tsenan’ny Coum io ho tsena manara-penitra, tsy haha-mena-mitaha ny asa tanana malagasy manoloana ireo vokatra vahiny; izay efa mitobaka sy mielipatrana aok’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser