- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsenan’ny tantsaha Antsirabe : Lasan'ny mpangaro paosy ny vola 5 hetsy ariary

Tsenan’ny tantsaha Antsirabe : Lasan’ny mpangaro paosy ny vola 5 hetsy ariary

Ramatoa  iray  hividy entana ao amin’ny tsenan’ny tantsaha no lasibatry ny mpangaro-paosy, vola 5 hetsy ariary hividianana legioma no nanjavona. Avy any Ambohibary ilay ramatoa no tonga maraina teto Antsirabe  haka legioma ao amin’ny tsenan’ny Tantsaha. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina no voalaza fa nahavery ny volany teo amin’ny vavahady hiditra ny tsena. Ny loharanom-baovao teny an-toerana no nahafantarana fa vola ahodina hamonjena ny zanany hodidiana ao amin’ny hopitaly io lelavola lasan’ny mpangaro-paosy io. Mampikaikaika ny olona ny firongatry ny mpangaro-paosy ao Antsimotsena indrindra ao amin’ny tsenan’ny Tantsaha. Saika ho isan’andro no handrenesana fitarainana. Nambaran’ireo mpivarotra sasantsasany fa saika mahafantatra ireo mpagaro paosy ireo ny mpivarotra fa tsy misy sahy milaza,  matahotra ny valifaty satria  tsy mijanona ela any ampigadrana izy ireo rehefa tratra. Fantatra ihany koa fa goragora ny fitantanana ny tsena satria tsy mbola tafapetraka ara dalàna io tsena io hatramin’ny naha tsena azy. Nambaran’ny solontenan’ny mpivarotra fa lasa resa-pianakaviana ny fitantanana,  manao didin’ny be sandry ny lehiben’ny tsena izay tsy ara dalàna akory ka ady totondry no havaliny rehefa tsy mifanaraka aminy ny mpampiasa ny tsena.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici