Nivarahontsana ireo mponina teny Tsiadana omaly. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny 6 ora hariva. Jiolahy dimy nirongo basy no indray nanafika mpivarotra mpambongady entana ilaina andavanandro (PPN) teny an-toerana, manakaiky ny Fiangonana katolika Md François d’Assise iny. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso, tsy fantatra marina izay fiavian’ireo jiolahy fa tonga dia nizotra namonjy ilay toeram-pivarotana izy ireo sady nanapoaka basy. Tonga dia niditra ny varavarana ary nandrahona sy nitifitra ny tompon’ny tsena ary nampandohalika izay rehetra tojo azy ireo. Avy eo naka ny vola tamin’ny baoritra, izay heverina fa mety ho izay matin’ilay mpivarotra nandritra ny andro. Tsy nitsahatra hatreo fa rehefa niala teo izy ireo, mbola nitohy nanapoaka basy ka nitifitra ireo mpandalo. Voalaza fa tsy niara-dalana izy ireo rehefa nandositra fa nitsofoka elakelan-trano samy hafa. Betsaka elakelan-trano tokoa io toerana nitrangan’ny fanafihana io ka isan’ny nanamora ny fitsoahan’ireo mpanao ratsy izany. Araka ny vaovao farany, nahatratra efatra no naratra tamin’izao fanafihana izao, izay samy efa nalefa haingana any amin’ny hôpitaly avokoa. Ny tompon-trano, izay voatifitra teo amin’ny soroka ny voalohany. Ny roa kosa dia mpandalo tety ivelany. Ny iray voan’ny bala teo amin’ny tongotra, ny faharoa teo amin’ny takibany. Lehilahy mpivaro-kena izay sendra nandrehatra fatampera ny fahefatra. Nivoaka hamoaka ilay afo ety ivelan’ny tranony izy no noheverin’ny jiolahy fa olona hanenjika ka izay no nahavoatifitra azy teo amin’ny tratrany. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana dia tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ambohijatovo sy ny FIP ka nanomboka ny fanarahan-dia ireo jiolahy.
T.M.