- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Fiara voadona nivadika teo amin’ny arabe

Tsiadana : Fiara voadona nivadika teo amin’ny arabe

Omaly, nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Tsiadana, amin’ny làlana avy any amin’ny Oniversite. Fiara iray no nivadika teo afovoan-dalana. Araka ny vaovao nampitain’ireo niharan-doza, nandeha tsara amin’ny sisiny havia ry zareo nidina avy any ambony. Nisy fiara iray nentina vazaha tamin’ny sisiny havanan’ny làlana nikasa hivily ankavia teo anolon’ilay hopitaly eny an-toerana. Tsy hay aloha izay niseho tao an-tsain’ilay vazaha nitondra ny fiara fa araka ny vaovao, nanapaka tampoka izy io. Voadona tamin’izany ilay fiarana gasy, niakatra “trottoir” ary nivadika. Io hita amin’ny sary io ny fahavoazany. Soa ihany aloha fa tsy nisy ny naratra mafy. Na izany aza anefa, tsy maintsy nandeha nijery mpitsabo ilay olona tao anatin’ilay voadona. Nitangorona ny olona nijery ny loza. Samy nanana ny filazany. Ho an’ireo manana ny fiara nivadika, nanambara ry zareo, fa tsy fitandremana nataon’ilay nandona azy no nahatonga ny fahavoazany.

Fa omaly ihany teny Soamanandrariny, “taxi-be” iray no nifandona tamina kamiao. Tsy nisy aloha ny naratra, fa ny fahasimbana no betsaka. Voalaza hatrany, fa nisy ny tsy fitandremana tamin’ity loza ity. Amin’izao fotoana izao, lasa baranahany na ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Samy miseho mahay sy mahafantatra izany avokoa ny rehetra. Hita ihany anefa, eny am-pandehanana eny, fa ao ireo manao fanahy iniana tsy mivaky loha, mihodina amin’izay toerana mahamety azy, mijanona na dia tery aza ny làlana ary tsy mihevitra ny hafa. Rehefa izy anefa no sendra izany, dia miaka-peo manompa. Maro tsy tambo hisaina ny tsy fanarahan-dalàna hita etsy sy eroa. Dia misy ireo sahisahy miteny fa, eo ireo mpandrindra ny fifamoivoizana miray tsikombakomba amin’ireo mpamily tsy hay fehezina ireo. Tsy mahagaga arak’ izany raha lasa gaboraraka ny fandehan-javatra. Misy ireo manaraka ny làlana; izay mahatsiaro fa resy be mihitsy eo anoloan’izany baranahany izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser