- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Lehilahy tratra am-bodiomby nangalatra jiro madeha amin’ny masoandro

Tsiadana : Lehilahy tratra am-bodiomby nangalatra jiro madeha amin’ny masoandro

Maro ny olona no nitaraina noho ny halatra mianjady amin’ireo fananana iombonana toy ny jiro eny an-dalambe sy ny taribin-jiro toy ity nitranga teny Tsiadana, ao amin’ny boriborintany faharoa ity. Lehilahy iray tratra am-bodiomby teo am-pangalarana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ny alarobia 27 Aogositra 2025, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, no nahatsikaritra ity lehilahy ity ny fokonolona teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo, ary tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka nisambotra ilay lehilahy. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faharoa Ambohijatovo izy mba hatao famotorana Ny halatra fananam-bahoaka dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona rehetra. Manimba ny fotodrafitrasa izany ary mety hiteraka loza ihany koa. Natao hiaro sy hikajy ireo fananam-bahoaka ireo ny Polisy. Hatolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy rehefa vita ny famotorana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici