Dia mbola nisehoana fanamparam-pahefana indray teny amin’iny faritra Tsiadana iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Mpitandro filaminana mipetraka eny amin’iny faritra iny no nandratra andrimasom-pokonolona iray. Raha ny fitantaran’ireo mponina, ny alin’ny sabotsy lasa teo, nisy nitsoka kiririoka teny an-toerana. Niolomay avokoa ny olona nivoaka, nijery ny zava-misy, sady efa imason’ny tany tsy dia milamina amin’izao. Nandray ny andraikiny avy hatrany ihany ireo andrimasom-pokonolona teny an-toerana, nizaha ifotony ny tena toe-javatra sy ny toerana niavian’ilay kiririoka. Tamin’izay no nahalalana fa olona tsy salama saina no nitsoka azy io, fa tsy fanafihan-jiolahy velively akory. Tamin’io fotoana io ihany koa no nisy mpitandro filaminana iray tonga niaraka tamin’ny basy teny amin’ilay toerana. Nony fantatra fa tsy fanafihana ilay nitranga, tany amin’ireo andrimasom-pokonolona indray no nifaharan’ny hatezeran’ilay mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ireo mponina hatrany. Nolazaina tamin’izany fa “manakotaba azy matory ireto olona ireto”. Samy niakatra ny feo, ka niafara tamin’io fikasihan-tanana io. Tsy nisy sahy nanohatra ireo mponina, nahita tsara ny zava-misy. Izany tokoa angaha ny hoe izay manam-basy ihany no tompon’ny fahefana sy manana ny teny farany. Asa loatra …
m.L