- Publicité -
lundi, septembre 29, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Raikitra ny sakoroka teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana

Tsiadana : Raikitra ny sakoroka teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana

Nivadika sakoroka ny fikasan’ireo tanora mpaiantry ny Oniversiten’Antananarivo avy eny Ankatso handeha ho eny Ambohijatovo hanatanteraka ilay hetika “Gen Z” ny sabotsy 27 septambra teo. Araka ny fantatra dia efa nifanarahan’ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana rehetra eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo fa hifamatoana eny Ambohijatovo ny rehetra io sabotsy io ka samy hiainga any amin’ny foibeny avy. Tsy tanteraka anefa izany nohon’ny firotsahana an-tsehatra nataon’ireo hery fiarovana sy filaminana(FDS) izay efa nampetraka mialoha ny paikadiny mba hanakanana izany. Vokany, ny maraina dia efa voasakana ny teny amin’ny toeram-panofanana ho mpampianatra ENS Ampefiloha raha vao niainga. Ny teny amin’ny Ecole supérieure polytechnique Vontovorona koa toraka izay.

Teny Ankatso kosa, efa vory ireo mpianatra ny maraina ka tamin’ny 11 ora izy ireo nifampitaona teo amin’ny manodidina ny oniversite ary hidina hihazo an’Ambohijatvo. Raha vao niainga anefa izy ireo dia efa niadry tety Tsiadana manakaiky ny Fonjan’Antanimora ireo mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny fiara tsy matahodalana maromaro. Nizotra am-pilaminana nanohy ny diany ihany ireo mpanao fihetsiketsehana  izay marihina fa nitombo isa teny an-dalana. Rehefa nifanakaiky ny roa tonta dia nisy ny fifampiresahana tamin’ny mpifandarina ka nampahatsiahivan’ny kolonely nitarika ireo (FDS) sy ny solontena telo avy amin’ny mpianatra ny amin’ny mahatsiaradalàna ny hetsika ataon’izy ireo fa tsy nahazoana alalana avy amin’ny prefekitiora. Nisy moa ireo mpianatra ny nanda izany ka nikiry ny hanohy ny dian’izy ireo hatrany. Taorin’ny  fampitandremana sy ny filazana fa hampiasa hery hanapritahana ireo mpanao fihetsiketsehana dia nanomboka nanapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso ny zandary nankany amin’ireo mpilahatra. Raikitra any sahotaka satria voalaza fa nisy ny naratra tamin’ireto farany ka nahatoga ireo mpitandro filaminana nandefa fiaran’ny mpamonjy voina miisa roa izay efa vonona tao aorinan’izy ireo nirostaka an-tsehatra. Tranga izay nahatonga ireo mpanao fihetsiketsehana nampiaka-peo ka namoaka ny alahelony sy ny anton’ny hetsika ataon’izy ireo. Nifanidran-dalana tamin’izay, nisy ireo izay namaly tora-bato izay tsy fantam-pihaviana ka nahaotonga ny fifanjevoana sy ny fifanejehana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy lazaina intsony ny fanaovana sakana sy doro kodiarana etsy sy eroa. Nisy ny fisamborana ka mpanao fihetsiketsehana roa no hita fa niharan’izany izay nahondrana tao anaty fiaran’ny mpitandro filaminana. Nahitana izany avokoa hatrany amin’ny faritra Antsakaviro sy Ampasanimalo ka niteraka horohoro sy tahotra teo amin’ireo mponina. Tsy nitsahatra izany raha tsy efa tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Taorian’izay dia niala teny an-toerana ireo mpitadro ny filaminana marobe, saingy mbola nisy kosa ireo nanohy ny fanaraha-maso iny toerana iny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici