Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, hatairana tsy misy toa izany ny an’ireo fokonolona tao amin’ny fokontany Ankorondrano, kaominina Tsiafahy. Nahitana taolam-paty, taolana madinidinika teo amin’ny 25 teo, mantsy tao an-tanàna, niampy taola-nify dimy. Raha ny fantatra anefa dia toa tsy nisy fasana vaky teny amin’ny manodidina. Avy hatrany ny tompon’andrakitry ny tanàna dia nampilaza tamin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo, izay tonga teny an-toerana. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia taolan’olona maty efa ho dimy taona tany ho any ireo nitsikafona ka hitan’ny olona ireo. Tamin’ireo fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana anefa dia nolazain’ireo mponina fa tsy mahafantatra io razana io. Hany hery dia ireo fokonolona ihany no nandevina azy tany amin’ny fasam-bahiny tany an-toerana.
m.L