
Enina ambiny folo no isan’ireo olon-dratsy ary mitovy amin’izany ihany koa ny isan’ny basy kalachnikov teny an-tananan’izy ireo. Ny alin’ny talata hifoha alarobia, tamin’ny 11 ora sy sasany alina, no nitrangan’ilay fanafihana. Tokantrano telo no notetezin’ireo mpanafika ary nanara-po izy ireo tamin’ny fanatontosana ny asaratsiny. Vola mitentina 4,8 tapitrisa ariary no lasa tao amin’ilay tokantrano voalohany, tokantrano izay mpivarotra no asan’ny raim-pianakaviana. Voatifitra tao anatin’izany io farany izay efa 60 taona. Teo amin’ny tongony, raha araka ny fanazavan’ny zandary, no niantefan’ny bala. Tao amin’ny tokantrano faharoa indray dia vola mitentina 800.000 ariary no lasa. Mba tsy nandràtra olona indray izy ireo tao amin’ity trano faharoa ity. Tsy nionona tamin’izay fa mbola nitohy tao amin’ny tokantrano fahatelo farany izay nahazoana 100.000 ariary. Samy nandraingiraingy avokoa ireo tokantrano telo voatafika, indrindra fa tao amin’ilay nisy naratra. Inona tokoa moa no azo atao manoloana ny fanafihan-jiolahy toa izao : 16 lahy mitazona kalachnikov miisa…16 ! Tsy vitan’izany fa mbola any amin’ny toerana lavitry ny mpitandro ny filaminana ihany koa ilay nisehoan’ny fanafihana. Fantatr’ireo jiolahy loatra angamba fa tsy afaka ny hanao na inona na inona ireo voatafika hany ka nanara-po izy nanatontosa ny asaratsy ary tsy nikoropaka ihany koa tamin’ny fitsoahana. Raha mba lasa hary fitaovana izao ny mpanao fanadihadiana eto amintsika dia tsy sarotra akory ny mamantatra ny niavian’ny bala sy ny basy. Hita teny an-toerana mantsy ny taim-bala izay mitondra ny laharana 6198. Mazava loatra fa tsy maintsy hita avy amin’izay, raha tena mandeha araka ny tokony hoizy ny fanadihadiana, izay mety ho tobin’ny mpitandro ny filaminana nivoahan’ireo fitaovam-piadiana ireo. Borigady ao Andoharanofotsy no nandray an-tànana ny fanadihadiana. Handrasan’ny maro ny mety ho fivoaran’izany satria raha ny marina dia handraingiraingy avokoa izay tanàna mbola handalovan’ity andian-jiolahy ity noho ny fitaovam-piadiana ampiasain’izy ireo. Tsy ho voatohitry ny olona mihintsy, na ny iray tanàna aza no miara-mientana izany 16 lahy mitazona kalachnikov tsirairay izany. Ary n any mpitandro ny filaminana aza dia mbola mety hananosarotra amin’izy ireo ny hamehy izany, indrindra koa raha olona manana traik’efa amin’ny fitifirana ireo jiolahy mitazona basy. Mbola ho lavitra ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana…
D.R