- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Lasan’ny jiolahy ny 60 tapitrisa ariary

Tsiafahy : Lasan’ny jiolahy ny 60 tapitrisa ariary

Telo lahy no isan’ny mpanafika. Tsy nisy nitam-basy ireo fa kosa nitondra zava-maranitra. Omaly tamin’ny roa maraina no nigadona tao amin’ny tokantrano iray tao Alakamisy, fokontany Ambohibololona izy ireo. Novakiana ny varavarana ary tao anatin’ny fotoana fohy monja ireo dia tafiditra tao an-trano. Henon’ny tompon-trano ihany ny fahatongavan’ireo fa kosa tsy afa-nanoatra intsony ny tenany noho ny tsy fitovizan’ny isa. Daroka avy hatrany no nahazo azy ary niteraka ratra izany. Lasa ny vola mitentina 60 tapitrisa ariary, vilany telo, koveta plastika, radio, « lampe de poche » ary koa ny famataranandro. Hatramin’ny akoho efatra izay mba nompiana tao an-toeranaza dia nobatain’ireo olon-dratsy koa. Nitsoaka nizotra tany Ambohijanaka ny mpanafika raha araka ny flazan’ny olona. Tsy vitan’ny lavitra ny toerana fa mbola fotoana elaela taty aoriana koa vao nandre ny zava-nisy ny zandary. Fotoana izay efa nahafahan’ireo olon-dratsy nanjavona tao anatin’ny haizina. Na izany aza dia natao ihany ny fisafoana ny manodidina ka ny zandary avy ao Ambatofotsy no niandraikitra izany. Efa ela iny manodidina an’i Tsiafahy iny no faritra mena amin’ny asan-jiolahy. Nisy fotoana aza dia notetezin’ireo mihitsy ny tanàna ary saika isan’andro dia  mandry tsy lavoloha ny mponina. Torak’izany koa i Ambohijanaka izay kaominina mifanakaiky na koa mifampitazana amin’i Tsiafahy. Matetika dia rehefa mitsoaka ireo jiolahy izay avy manafika dia  any amin’ny iray amin’ireo no diany. Tsy mandeha lalam-pirenena izany ireo mba hialàna amin’ny fifanenana amin’ny mpitandro ny filaminana. Fotoana angamba izao ny tokony mba hametrahana biraon’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici