- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Lehilahy maty nofahoan’ny fiara, nandositra ny saofera

Tsiafahy : Lehilahy maty nofahoan’ny fiara, nandositra ny saofera

Lehilahy iray no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny lalam-pirenena faha-7 teo amin’ny PK 27+500, eo Ankorondrano kaominina Tsiafahy. Ny alin’ny 31 jolay no niseho ny loza tamin’ny 9 ora sy sasany. Nandeha teny an-dalana ity olona ity no nodomin’ny fiara, ka nipitika tany anaty tatatra. Ny loharanom-baovao no nilaza fa maty teo no ho eo io olona io. Tsy nisy fantatra kosa na ny tena fisehoan’ny loza na ilay fiara nandoana azy. Teo amin’ilay toerana koa tsy nisy soritra kely akory hita. Raha vao nahare ny fisehoan-javatra ny zandary eny an-toerana, dia tonga nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny mpitsabo. Ity farany moa no nilaza fa namofona toaka io olona namoy ny ainy io tamin’ny fijerena natao azy. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Karohina kosa amin’izao fotoana izao izay nahavanona ny loza. Ny zandary ao amin’ny “Poste avancé” Ambatofotsy no misahana ny fanadihadiana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici