Tao ho ao dia niha-nirongatra ny vaky fasana teny amin’iny kaominin’i Tsiafahy iny. Antony iray nanaovan’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatofotsy hetsika manokana, nentina nisafoana ireo tanana sy vohitra teny an-toerana. Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, mpamaky fasana maromaro no tra-tehaka teo am-pangalarana taolam-paty teo Ambohibololona, kaominina Tsiafahy. « Teo am-panaovana fisafoana mihitsy izahay, tokony ho tamin’ny iray ambin’ny folo ora sy sasany tany ho any no nahita azy ireto, manodidina ny dimilahy teo ho eo, nisomebiseby teo amin’ny fasan’olona iray » hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny mpifehy ity tobim-paritra ity. Fasan’olona izay efa voahady tanteraka ary nahitàna gony ihany tsy lavitra teo. Azo antoka avy hatrany fa olon-dratsy izy ireo ary mety ho ireo mpamaky fasana eny an-toerana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary. Vao nahita ireo mpitandro filaminana anefa ireto mpamaky fasana dia rafitra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana tao anaty haizina. Nampitandrina ny zandary. Nisy tamin-dry zalahy ireto ihany koa anefa, raha ny fanazavana azo no niseho be saina ary saika hampiasa hery tamin’ireo mpitandro filaminana handeha hanohitra. « Ny andro efa alina, hoy ny zandary, efa nandefa fampitandremana ihany koa izahay, kanefa mbola nisy saika hanohitra ka tsy maintsy nampiasa basy ». Roa tamin’ireto mpamaky fasana ireto no voatifitra ary namoy ny ainy avy hatrany. Iray kosa no azo sambobelona taorian’ny fifanenjehana. Tafaporitsaka kosa moa ny sasany, raha ny angom-baovao ao hatrany. Mbola tratra teny amin-dry zalahy ireto moa ireo taolam-paty vao avy nangalarina : taolan-dava miisa 45, karandoha miisa roa ary taolana manjinika maro manodidina 02 kilao eo ho eo. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny mpitandro filaminana moa ity voasambotra ity ary notanana ho amin’ny famotorana. Navantana eny amin’ny tranom-paty kosa ireo namoy ny ainy miandry ny fianakavian’izy ireo. Raha ny fanazavana azo dia ahiana ho ry zalahy ireto ihany no tompon’antoka tamin’ireo vaky fasana maromaro nitranga teny an-toerana, hoy ny zandary. Marihana fa araka ny famotorana nataon’ireo mpitandro filaminana dia tsy fantatr’ireo mpangalatra taolam-paty akory hoe atao inona ny taolana hangalarin’izy ireo. Nanosika azy ireo hamaky fasana fotsiny hoe misy olona mandray hoe ilay taolana ary lafo ny vidiny …
m.L



