- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Mpitondra scooter maty nipotsaka ati-doha voadonan’ ny fiara

Tsiafahy : Mpitondra scooter maty nipotsaka ati-doha voadonan’ ny fiara

Manamorona ny RN7 teo amin’ ny PK23 ny alahady maraIna teo, tokony ho tamin’ ny O9 ora maraina no niseho ny loza.Tsy fantatra  marina ny nahazo ilay fiara sy moto scooter fa dia nifandona izy ireo ; mafy dia mafy tokoa ny fifanenana ka avy hatrany dia nifatratra teny amin ‘ny ilay mpitaingina moto ny hamafiny ; lavo nitsirara avy hatrany ity farany ary ny lohany no  niakarapoka mialoha tsy nisy azo nialana nenina intsony fa maty teo no ho eo ilay tovolahy. Noraofina tamin’ izany ny atidohany tamin’ ny nangalana ny razana teo amin’ ny arabe . Nisesisesy  indray tato ho ato ny loza ateraky ny moto scooter ; vao tamin’ ny zoma alina teo tokoa mantsy ny tovolahy iray mpitaingina moto no maty teny amin’ ny By- pass teny ary izao indray ity loza hafa ity . Tsy fitandremana foana matetika no mahatonga ny loza, na izany avy amin’ ny mpamily fiarakodia na izany avy amin’ ny mpitondra moto.

Ankoatr’ izany dia ramatoa iray mpivarotra anana no voafaokan’ ny fiara ka maty tsy tradrano ihany koa. Efa any amin’ ny tranompatin’nyHJRA  ny razana amin’ izao fotoana izao .

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser