Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no tonga tao amin’ny tanànan’I Soamandray ny 11 lahy mitazona basim-borona, ny alin’ny alatsinainy teo. Novakiana ny varavaran’olona ary nidirana an-keriny tao amin’ny tokantrano tsirairay avy izay miisa dimy raha atambatra. Tao amin’ny trano voalohany dia lasa ny vola 900.000ar, tao amin’ny faharoa 660.000ar, tao amin’ny fahatelo 150.000ar, vola mitentina 2.080.000ar tao amin’ny fahefatra ary tao amin’ny trano farany dia mitentina 5.500.000 ariary. Nalaina avokoa ny finday rehetra tao an-trano nandritr’ireo fivahinian’ny jiolahy ireo. Nizotra nandeha tany Ambohijanaka ny lalan’ireo rehefa vita ny fanafihana. Lasa hatrain’ny peratra volamena izay peratra mariazy ho an’ny fianakviana sasany tamin’ireo tokantrano ireo.
D.R